FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA BOENY : NOTOKANANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY BIRAO FIASANA VAOVAO AO MAHAJANGA ARY EFA MIASA MANOMBOKA IZAO.

– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka. – Notanterahina ny Zoma 14 Aogositra 2026 ny lanonam-pitokanana amin’ny fomba ofisialy ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Boeny vaovao ao Fiofio, Mahajanga. Fotodrafitrasa natao hanamafisana ny fandriam-pahalemana sy hanatsarana hatrany ny tolotra omena ny vahoaka.