– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny heloka bevava
– Omby iray no nosolokiana sy nalaina tamin’ny alalan’ny fisandohana, ny 16 Novambra 2026, tao Alasora.
– Nandritra izany dia nisy ihany koa ny fakàna ankeriny ny tompon’omby nataon’ireo jiolahy rehefa nofitahina ka nentina haka vola niaraka tamin’ny iray tamin’ ireo mpisoloky.
– Ny 17 Novambra 2026, no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP Alasora teny Androndrakely ireto mpisoloky.
– Tafaverina soa aman-tsara ilay omby very ary efa hita ihany koa ilay raim-pianakaviana, izay nomen’izy ireo fanafody fampatoriana tamin’ny ranom-boankazo nandritra ny fotoana nitondrany azy, ary mbola tsy nahatsiaro tena ka nentina namonjy tobim-pahasalamana.
– Mitohy ny fanadihadiana ao amin’ny CSP Alasora mba hamantarana raha mbola misy olona hafa voasaringotra amin’ity raharaha ity.
– Maro ireo efa lasibatr’ireto mpisoloky ireto amin’ny alalan’ny fividianana biby fiompy ka antsoina ireo izay mety efa voa mba hametraka fitoriana ao amin’ny Kaomisaria Alasora.
– Fantatra fa efa nigadra noho ny raharaha tahaka izao izy ireo ary mpamerin-keloka amin’izany.

 

ALASORA : MPISOLOKY ROALAHY EFA NOKAROHINA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer