👮♂️ Polisimpirenena manakaiky vahoaka.
👮♀️ Manana anjara toerana lehibe ny Polisimpirenena amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fiarovana ny laza adina mandritra ny fanatanterahana ny fanadinana Bakalorea Teknika manerana ny Nosy.
đźš” Raha ny teto Antananarivo Renivohitra, dia nisy ny fidinana ifotony sy fanaraha-maso natao nanomboka ny Alatsinainy 27 Jolay 2026, notarihin’ny Lehiben’ny Kaomisaria Foiben’Antananarivo Renivohitra, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys, niaraka tamin’ireo lehiben’ny kaomisaria.
đź”· Notsidihina sy nojerena manokana ireo ivotoeram-panadinana toy ny tao amin’ny LTP Ampefiloha, LTA Ampefiloha, LTP Mahamasina ary CEG Antanimbarinandriana.
🤝 Nisy ihany koa ny fifampiresahana tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, nihainoana sy namaliana ny hetahetan’izy ireo momba ny fiarovana ny mpianatra mpanala fanadinana.
👉Mifarana ny Zoma 31 Jolay ny Bakalorea Teknika, entanina ireo tanora mba ho mailo raha hamonjy fialam-boly aorian’ny fanadinana ; ireo raiamandreny kosa amporisihina amin’ny fanaraha-maso ny ankizy.
🟢Ny Polisimpirenena sy ireo mpitandro ny filaminana dia azo antonina mivantana ireo eny an-kianja raha misy ilàna izany.

FANARAHAMASO NY FIZOTRAN’NY FANADINANA BAKALOREA TEKNIKA : MITOHY TSY TAPAKA NY FITANDROANA NY FILAMINANA SY NY FIAROVANA NY LAZA ADINA ATAON’NY POLISIMPIRENENA ENY AMIN’IREO IVOTOERAM-PANADINANA REHETRA.

Vous pourrez aussi aimer