đź“… Ny Talata 28 Jolay 2026, nandritra ny fialan-tsasatra teny amin’ny morontsirak’i Mahajanga, dia nanjavona ny lehilahy iray 20 taona rehefa nilaza fa hividy lasopy.
📍 Tsy niverina izy ary tsy tratra tamin’ny antso an-tariby, ka nanao fikarohana ny fianakaviany ary nampandre avy hatrany ny Polisy sy ireo tompon’andraikitra any an-toerana.
👮‍♂️ Ny Alarobia 29 Jolay 2026 tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro, dia hita soa aman-tsara tao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Voalohany Analakely ilay lehilahy rehefa naterin’olon-tsotra.
🔎 Araka ny fanadihadiana dia tsy niharan’ny herisetra izy fa very lalana satria tsy nahafantatra ny toerana tany Mahajanga ary voalaza fa nanaraka vehivavy.
🤝 Nampandrenesin’ny Polisy ny fianakaviany ary noraisina an-tanana ny fampodiana azy ho any Antananarivo.
MAHAJANGA : LEHILAHY NANDEHA NANAO FIALAN-TSASATRA NIARAKA TAMIN’NY MPAMPIASA AZY NOLAZAINA FA VERY, HITA SY SALAMA TSARA.
