🚨 Ady amin’ny asan-jiolahy.

‎☎️ Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny « Poste de Police » Ambondromamy ny harivan’ny Alahady 17 Mey 2026, mahakasika ny fisian’ny jiolahy raindahiny efa nokarohina, izay tafiditra ao an-tanàna ary ahiahiana ho manomana sy mikononkonona fanafihana.

‎🚔 Napetraka noho izany ny paikady; natao ny tsongo-dia tamin’ny alalan’ny fanaovana fanamiana sivily ka hita teny akaikin’ny Kianja Vaonasolo ity olon-dratsy ity tokony tamin’ny 08 ora alina. Raha vao nahatsikaritra ny Polisy anefa izy dia nitsoaka sady nitifitra tamin’ny basy vita gasy teny aminy.
🎯 Niaro tena noho izany ny Polisy ka lavo vokatry ny tifitra nahazo azy ity jiolahy ity.

‎🔄 Ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana amin’ny alalan’ ny fitorohana na sy fanomezam-baovao mialoha ataon’ny mponina no anisan’ny ahitàna vokatra tsara hatrany, isorohana ny asa ratsy sy fanafihana.
✅ Entanina noho izany mba tsy hiraviravy tanana hisian’ny fahombiazana mitohy. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao hikarohana ireo mety ho naman’ity jiolahy ity, ary ny Polisimpirenena dia manome toky fa tazonina ho tsiambaratelo tanteraka ny momba ireo mpanome vaovao

 

AMBONDROMAMY : LAVON’NY POLISIMPIRENENA NY JIOLAHY RAINDAHINY IRAY REHEFA NIKASA HANAFIKA

Vous pourrez aussi aimer