🇲🇬 Tontosa ny Alahady 19 Jolay 2026, tetsy Antsaham-pitifirana Ankatso, ny lanonam-pahatsiarovana ny faha-78 taona nanamarihana ny nitifirana ireo mahery fo Malagasy izay nitolona sy nanolotra ny ainy ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
🕯️ Nisy ny fametrahana afom-pahatsiarovana sy fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato fahatsiarovana an’i LietnĂ RANDRIAMAROMANANA Albert, RAKOTONDRABE Samuel, RATSIZAFY Samuel Bekamisy, ary LEZOMA, izay namoy ny ainy voatifitry ny mpanjanaka noho ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitakiana ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
🎖️ Nitarika ny lanonana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Mamitiana RAJAONARISON. Nanatrika izany ireo mpikambana maromaro anatin’ny governemanta, niaraka tamin’ny manam-pahefĂ na miaramila sy sivily.
👮‍♂️ Nisolo tena ny Minisitry ny Filaminambahoaka kosa ny Lehiben’ny Sampana Fitsirihana Anatiny eo enivon’ny Polisimpirenena, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police MARINJAHA Vavitafika sy ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police SERALY HERCULE, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny filaminambahoaka.
🏛️ Nofaranana tamin’ny fitsidihana ny tranoeva nampirantiana ny tantaran’ireo mahery fo sy ny tolona nataon’izy ireo ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny lanonam-pahatsiarovana

