– Ady amin’ny asan-jiolahy
– Olona telo no voasambotry ny Polisimpirenena tao amin’ny Fitaleavam-paritra Analamanga ny talata 27 oktobra 2026.
– Teny Ampasika, nandritra ny hetsika fisavàna kodiaran-droa, dia lehilahy iray no nahitàna zava-mahadomelina mahery vaika antsoina hoe « Cristal » tao aminy ka nosamborina avy hatrany.
– Teny Tanjombato sy Ambohimanala kosa dia Lehilahy roa mpanao sinto-mahery no voasambotry ny Polisy miasa ao Tanjombato.
– Nentina teny amin’ny Kaomisaria Foibe tsaralalana sy Tanjombato ireo olona voasambotra ireo hanaovana fanadihadiana alohan’ny anolorana azy eny anivon’ny fampanoavana.
-Mbola maro ireo mpanao ratsy no mialokaloka any anaty fiarahamonina ka hanentanana ny rehetra ny fitorohana azy ireo mba hahafahana mametraka fandriam-pahalemana maharitra.

 

ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA : LEHILAHY TELO MPANAO SINTO-MAHERY SY MPITONDRA ZAVA-MAHADOMELINA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer