💣Ady amin’ny asan-jiolahy mitam-piadina
🚔 Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Alasora ny tolakandron’ny 26 Aogositra 2026 dia tovolahy iray no tratra ambodiomby teo am-pikasana hangalatra bisikileta.
Nosamborina avy hatrany izy ary natao ny fisavana ireo entana teny aminy.
🎒 Nandritra izany fisavana izany, dia nahitana fanamiana mpitandro ny filaminana iray, karatra iray, fehikibo roa (02), bolongam-bato roa (02) ary antsy iray (01) tao anaty kitapony izay porofo fa fitaovana ampiasainy amin’ny asa ratsiny.
🔎 Nandritra ny fanadihadiana natao azy dia niaiky ny heloka vitany izy ary nambarany fa nampiasa ireo fitaovana ireo izy rehefa mangalatra.
👮‍♂️ Efa eo am-pelatanan’ny Polisimpirenena ny raharaha ary mitohy ny fanadihadiana mba hamantarana raha mbola misy tranga hafa na olona miray tsikombakomba taminy manao izao asa ratsy izao.
🛡️ Entanina hatrany ny olom-pirenena mba hiara-hientana amin’ny Polisy amin’ny alalan’ny fampitàna vaovao momba ireo tranga mampiahiahy.

ALASORA : MPANGALATRA RAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ; TRATRA AMBODIOMBY TEO AMPANATANTERAHANA NY ASA RATSINY

Vous pourrez aussi aimer