👉Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
📌Nisy trangana vaky trano ny 08 Septambra 2026, tao Fenoarivo, Kaominina Ambonivohitra Farafangana.
🕵️‍♂️ Nandritra ny fanadihadiana, lehilahy 24 taona, izay olona natokisan’ny tompon-trano, no fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fangalarana.
🖥️ Televiziona iray, firavaka volamena, peratra, kavina ary vola 180 000 Ariary no very. Nandritra ny famotorana dia niaiky ny halatra nataony izy.
➡️ Tratra tany amin’ireo mpandray ny entana halatra sy mpiray tsikombakomba tamin’ity lehilahy ity ireo zavatra very nandritra ny fisamborana azy ireo.
👮‍♀️Mitohy ny fanadihadiana ary atolotra ny Fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny famotorana savaranonandro.
âś…Manentana ny rehetra tsy hisalasa hanatona ny Polisimpirenena na hiantso raha misy ilĂ na izany.
FARAFANGANA : OLONA EFATRA VOASAMBOTRA NOHO NY RESAKA VAKY TRANO, TAFAVERINA AMIN’NY TOMPONY IREO ENTANA
