⚠️ Ady amin’ny fanaovana hosoka
📢 Naharay vaovao ny teo anivon’ny Polisimpirenena tao amin’ny Kaomisaria Moramanga, mahakasika ny fisian’olona manamboatra sy manaparitaka taratasy hosoka momba ny fahazoan-dalana mamily fiara (permis de conduire).
👮♂️ Taorian’ny nahazoana izany vaovao izany dia nanao vela-pandrika mba hahafahana misambotra io mpanao hosoka io ny Polisimpirenena.
♦️ Vokatr’izany, lehilahy iray no tratra ary nosavaina ny trano fonenany. Hita tao avokoa ireo fitaovana nampiasainy tamin’ny fanamboarana ireo taratasy hosoka, toy ny fitaovana informatika maro be, fitomboka misy ny anaran’ny tompon’andraikitry ny ivon-toerana famoahana ny fahazoana-dalana mamily fiara ary porofo hafa maro be amin’ireo hosoka ataony.
‼️ Niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity nandritra ny famotorana.
⚖️ Efa nentina eo anivon’ny Kaomisaria Moramanga izy, ary mitohy ny fanadihadiana mba hahafantarana bebe kokoa ny momba ity raharaha ity.
✅Ankasitrahana hatrany ireo olom-pirenena tsara sitra-po amin’ny fanomezana vaovao ho an’ny mpitandro ny filaminana.
MORAMANGA : LEHILAHY IRAY MPANAO HOSOKA FAHAZOAN-DALANA MAMILY FIARA NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
