👮 Nandritra ny fanatanterahana ny hetsika « MAHOMBY » tao an-tanànan’i Fianarantsoa, dia nohamafisin’ny Polisimpirenena ny fisafoana sy ny fanaraha-maso ireo toerana ahiana hisian’ny asa ratsy, ho fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana ary hiarovana ny olona sy ny fananany.
🏍️ Ny 04 Aogositra 2026 dia moto iray very tao Fianarantsoa no hitan’ny Polisy teny Antarandolo ka naverina tamin’ny tompony rehefa vita fanamarinana. Mitohy kosa ny fikarohana ilay mpangalatra tafaporitsaka.
👜 Ny 20 Aogositra 2026, dia olona roa no voasambotra noho ny raharaha harom-paosy sy halatra eny an-tsena tao amin’ny tobim-piantsonana Atsimo Ankazindrano. Natolotra ny fitsarana izy ireo ny 24 Aogositra 2026, ka voatazona am-ponja.
👮‍♂️ Ny 22 Aogositra 2026, voasambotra teny Anjoma ny lehilahy iray 30 taona tompon’antoka tamin’ny vaky trano. Nahitana entana very nandritra ny vaky trano roa samihafa teny aminy nandritra ny fisamborana. Fantatra fa efa mpamerin-keloka nigadra in-telo ity lehilahy ity. Natolotra ny fitsarana ny 24 Aogositra 2026 ary voatazona am-ponja .
🎯 Ny 19 Aogositra 2026, lehilahy iray nampiasa vola sandoka no voasambotra ka rehefa natolotra ny Fampanoavana ny 24 Aogositra 2026 dia nidoboka am-ponja.
✅ Mitohy hatrany ny hetsika tanterahan’ny Polisimpirenena, ankasitrahana ireo tsara sitra-po amin’ny fanomezam-baovao ary mitaona ny rehetra hatrany mba tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy.

FIANARANTSOA : NAHITAM-BOKANY NY HETSIKA « MAHOMBY » ENTINA MIADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPALAMANA.

Vous pourrez aussi aimer