🛡️ Ao anatin’ny ezaka fanatsarana hatrany ny fahaiza-manaon’ny Polisimpirenena dia nisy ny fiofanana roa sosona izay nifantoka tamin’ny fanadihadiana ara-teknika sy ny porofo nomerika, ary ny fiarovana ny zon’olombelona sy fanarahana ny fenitra mifehy ny asan’ny Polisy.
🚔 Ny fiofanana voalohany dia niarahana tamin’ireo manam-pahaizana avy ao amin’ny Ao Destiny Rescue sy ny Global Counter-Trafficking Group, ka Polisimpirenena miisa 19 no nahavita izany. Ny faharoa kosa dia atrikasa fifampizarana traikefa nandritra ny efatra andro, niarahan’ireo Polisy avy ao amin’ny vondrona manokana na ny USPN misy ny UIR, SCSAG ary SCUSI.
🎯 Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fanadihadiana ara-teknika, ny fampiasana porofo nomerika, ny fiarovana ny zon’olombelona ary ny fanarahana ny etika sy ny deontolojia amin’ny asan’ny polisy ireo fiofanana ireo.
📌 Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fahaiza-manaon’ireo Polisimpirenena sy hampiroboroboana ny asa aman-draharaha mifototra amin’ny matihanina sy ny fanajana ny zon’olombelona, ho tombontsoan’ny vahoaka.
✅ Nitarika izao fihofanana izao ny Tale misahana ny fikarohana fandikan-dalàna (DPJ), ny Commissaire Divisionnaire de Police RABENANDRASANA Jean Marcel sy ny Tale misahana ny Fiofanana mitohy sy ny fikarohana (DRFC), ny Commissaire Divisionnaire de Police, OSTROM Whenss ary i Maître RAVELOJAONA Madera.

FIOFANANA MITOHY EO ANIVON’NY POLISIMPIRENENA : FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO ARA-TEKNIKA SY FANAJANA NY ZON’OLOMBELONA.

Vous pourrez aussi aimer