👉 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
📅 Ahitam-bokany hatrany ny hetsika hiadiana amin’ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny amin’ny faritra Anosibe sy ny manodidina iny.
🤏 Ny 14 aprily 2026 tolakandro no nahatsikaritra lehilahy miisa 03 manaraka ramatoa lehibe iray ireo Polisy avy ao amin’ny UIR sy ny Compagnie Urbaine d’intervention (CUI) izay efa miasa eny an-toerana. Vao nikasa hanendaka ilay ramatoa izy telo lahy no niditra an-tsehatra ireo Polisy nisambotra azy ireo ka voasoroka ny asa ratsy.
🕕 Tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany hariva indray, sendra ireo Polisy nanao fanamiana sivily efa niandry teny amin’ny manodidina indray ity jiolahy iray avy nanendaka mpandeha taxibe hizotra hoany Anosy.
âś… Rehefa niroso hisambotra azy ny Polisy dia nampiasa antsy lava lela teny aminy izy. Tsy maintsy niaro tena ireo Polisy ka maty noho ny ratra nahazo azy vokatry ny tifitra ity farany.
⚠️ Ity jiolahy ity dia fantatra fa efa mpamerin-keloka ary efa nahazaon’ny Polisimpirenena fitarainana maro noho ny resaka fanendahana eny amin’ny faritra Anosibe sy ny manodidina iny. Efa niparitaka tamin’ny Facebook ny sariny ka izao lavon’ny Polisimpirenena izao.
🎯 Fantatra ihany koa fa efa mpamerin-keloka izy satria efa nigadra noho ny fanendahana sy sinto-mahery.
🤝 Ny Polisimpirenena dia manentana hatrany ny olom-pirenena hifanome tanana amin’ny fanomezana loharanom-baovao ara-potoana ary tsy hisalasala hanatona ireo Polisy miantsehatra eny amin’ny toerana misy antsika mba hahafahana misambotra ireo jiolahy.
ANOSIBE : MPANEDAKA RAINDAHINY IRAY LAVON’NY POLISY ARY MPANAO SINTO-MAHERY MIISA TELO VOASAMBOTRA
