– Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
– Mitohy ny hetsika ataon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ny fanamafisana ny filaminam-bahoaka. Tany Fenoarivo Atsinanana,Antananarivo, Antsirabe ary Maevatanana dia nahitam-bokatra ny fisafoana natao, ka olona maromaro no voasambotra ary rongony am-polony fonosana no tratra.
– Tany Fenoarivo Atsinanana dia olona telo no voasambotra ary rongony 88 fonosana no tratra. Tany Antsirabe kosa dia lehilahy iray no tratra nitondra rongony 97 fonosana, ary mbola mitohy ny fanadihadiana. Tany Maevatanana indray dia lehilahy dimy no voasambotra teo am-pifohana rongony, ka rongony 42 fonosana no tratra teny amin’izy ireo. Araka ny fanadihadiana, ny sasany amin’izy ireo dia efa ahiahiana ho tompon’antoka amin’ny asa fanendahana sy vaky trano ihany koa.
– Ny 14 Jolay 2026, tao Ambavahaditokana (Itaosy, Analamanga), dia lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Itaosy nandritra ny fisafoana, rehefa nahatratrarana rongony miisa 18 fonosana teny aminy. Tratra nivarotra izany teny amin’ny elakelan-trano izy, ka notazonina nanaovana famotorana.
– Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa hitohy tsy an-kijanona ny hetsika manohitra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ary manentana ny olom-pirenena hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny fanomezana vaovao mba hahafahana mamongotra ireo tambajotra mpanao trafika sy hiantohana ny filaminam-bahoaka.
