AZO ANTSOINA MAIMAIM-POANA NY LAHARANA MAITSO 147 RAHA MISY TRANGA MAMPIAHIAHY MOMBA NY FAHAVEREZANA OLONA ENY ANIVON’NY FIARAHAMONINA ; OMENA VALISOA IREO IZAY MANOME VAOVAO MARIM-POTOTRA KA HAHAFAHAN’NY MPITANDRO NY FILAMINANA MISAMBOTRA NY MPANGALATRA OLONA

🤝 Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny solon-tenan’ny Governemanta nahitana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitry ny Fitsaràna, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny MInisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena ary solon-tena avy amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny harivan’ny Alarobia 22