đ Mitohy manerana ny Faritra maro eto Madagasikara ny fanentanana sy ny fidinana ifotony ataonâny Polisimpirenena ho fisorohana ny fahaverezana olona sy ny hala-jaza.
đ· Marihana fa ny hetsika ataonâny Polisimpirenena dia tsy fanentanana ihany, fa eo dia eo ihany koa ny fisafoana manao fanamiana hahafahantarana ny maha mpitandro ny filaminana, ny fanaraha-maso aminâny fanamiana sivily ary ny fanaovana angom-baovao samihafa.
đ· Ankoatranâny hetsika manokana ataonâny Polisimpirenena any aminâny faritra izay hiandraiketany manokana dia misy ihany koa ireo hiarahana aminâny Tafika malagasy, ny Zandarimariam-pirenena, ireo tomponâandraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny eny anivonâny Fokontany ary ny fikambanana samihafa.
đNifantoka taminâny fampahatsiahivana ny ray aman-dreny aminâny andraikiny manoloana ny fiahiana sy fiarovana akaiky ny zanany, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa aminâny mpitandro filaminana, ny fananganana andrimasom-pokonolona ary ny fampandrenesana haingana ny Polisy raha misy tranga na olona mampiahiahy ny fanentanana.
đNisy ihany koa ny fametahana afisy, ny fizarana laharana antso vonjy ary ny fisafoana an-tongotra teny anivonâny fiarahamonina.
â
Mbola hotohizana ny fanentanana sy ny fisafoana any amin’ireo faritra hafa ho fisorohana ireo karazana heloka hafa sy hanamafisana ny fiarovana ny vahoaka.

