👉 Mitohy manerana ny Faritra maro eto Madagasikara ny fanentanana sy ny fidinana ifotony ataon’ny Polisimpirenena ho fisorohana ny fahaverezana olona sy ny hala-jaza.
🔷 Marihana fa ny hetsika ataon’ny Polisimpirenena dia tsy fanentanana ihany, fa eo dia eo ihany koa ny fisafoana manao fanamiana hahafahantarana ny maha mpitandro ny filaminana, ny fanaraha-maso amin’ny fanamiana sivily ary ny fanaovana angom-baovao samihafa.
🔷 Ankoatran’ny hetsika manokana ataon’ny Polisimpirenena any amin’ny faritra izay hiandraiketany manokana dia misy ihany koa ireo hiarahana amin’ny Tafika malagasy, ny Zandarimariam-pirenena, ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny eny anivon’ny Fokontany ary ny fikambanana samihafa.
📍Nifantoka tamin’ny fampahatsiahivana ny ray aman-dreny amin’ny andraikiny manoloana ny fiahiana sy fiarovana akaiky ny zanany, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana, ny fananganana andrimasom-pokonolona ary ny fampandrenesana haingana ny Polisy raha misy tranga na olona mampiahiahy ny fanentanana.
📋Nisy ihany koa ny fametahana afisy, ny fizarana laharana antso vonjy ary ny fisafoana an-tongotra teny anivon’ny fiarahamonina.
âś… Mbola hotohizana ny fanentanana sy ny fisafoana any amin’ireo faritra hafa ho fisorohana ireo karazana heloka hafa sy hanamafisana ny fiarovana ny vahoaka.

