🤝 Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny solon-tenan’ny Governemanta nahitana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitry ny Fitsaràna, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny MInisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena ary solon-tena avy amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ny harivan’ny Alarobia 22 Jolay 2026,teo nampahafantatra ny fivoaran’ny ady ataon’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ity trangana tsy fahitàna olona niseho tato ho ato ity.
🔴 OLONA 11 NAIDITRA AM-PONJA 🔒
Tsy mipetra-potsiny ny fanjakana malagasy fa manohy ny ady rehetra hamongorana izao asa ratsy manakorontana ny fiainam-bahoaka izao ka fantatra fa 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝟭𝟭 𝗻𝗼 𝗲𝗳𝗮 𝗻𝗮𝗶𝗱𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺-𝗽𝗼𝗻𝗷𝗮. ⚖️
Ankoatra izay dia mpitandro filaminana sy hery fiarovana maherin’ny 5000 no miara-mihetsika ankehitriny manao ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy ary indrindra manao ny fiarovana ny vahoaka manoloana ny fisiana olon-dratsy minia manao fanakorontanana fiainam-bahoaka toy izao asa ratsy momba ny 𝙩𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖 mitranga izao. 👮♂️👮♀️🛡️🇲🇬
📞🟢 ANTSOY NY LAHARANA MAITSO 147 📞
Nampahafantarina nandritra ity fihaonana ity koa fa natsangana efa ho 21 andro izao ny foibe manokana ( CO-Centre Opérationnel) mandrindra ny ady atao amin’ny 𝙩𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖 ity ka etsy amin’ny 𝗞𝗔𝗢𝗠𝗜𝗦𝗔𝗥𝗜𝗔 𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗟𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 no misy azy, izay azon’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka anantonana sy anaovana fitarainana. 🏢👮♂️
Napetraka koa ny laharana maitso 𝟭𝟰𝟳 ( numéro vert – appelez gratuitement le 147) hahafahan’ny olom-pirenena miantso maimaimpoana raha mahita tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina. 📞🚨
📞 𝟭𝟰𝟳 – laharana antso an-tariby 𝗮𝘇𝗼 𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗶𝗺𝗮𝗶𝗺𝗽𝗼𝗮𝗻𝗮
AZO ANTSOINA MAIMAIM-POANA NY LAHARANA MAITSO 147 RAHA MISY TRANGA MAMPIAHIAHY MOMBA NY FAHAVEREZANA OLONA ENY ANIVON’NY FIARAHAMONINA ; OMENA VALISOA IREO IZAY MANOME VAOVAO MARIM-POTOTRA KA HAHAFAHAN’NY MPITANDRO NY FILAMINANA MISAMBOTRA NY MPANGALATRA OLONA
