👮‍♂️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
👉 Nahazo vaovao ny Polisimpirenena mikasika ny fisian’olona roalahy milaza fa mitondra masona olona manana toe-tena « varira » mipetraka ao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray eny 67 Ha Atsimo.
👮‍♂️ Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany fahafito 67 Ha, nanao ny vela-pandrika hisamborana azy ireo. Nandritra izany, dia tra-tehaka tao amin’ilay hotely ireo olona roa, ary nahatrarana voamaso anankiroa sy antsy lavalela iray teny amin’izy ireo.
📌 Taorian’izay dia nentina teny amin’ny Sampan-draharaha Miady amin’ny Heloka Bevava Anosy izy ireo, izay misahana ny famotorana momba ity raharaha ity.
⚖️ Mitohy ny fanadihadiana mba hamantarana ny niavian’ireo maso tratra teny amin’izy ireo sy ny mety ho fifandraisan’izy ireo amin’ny raharaha hafa.
âś… Ankasitrahana hatrany ireo mpanome vaovao ny mpitandro ny filaminana mba hahafahana misambotra ireo mpanao ratsy.

67 HA ATSIMO : OLONA ROA MILAZA FA MIVAROTRA VOAMASO VOASAMBOTRY NY POLISIM-PIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer