đźš Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
‎🚔 Lehilahy iray mpivarotra rongony,no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny « Poste de Police » Loharanombato ny marainan’ny 18 May 2026. Nandritra ny fisafoana maraina, tokony ho tamin’ny 05 ora no nahazoana vaovao marim-pototra tamin’ny olona tsara sitrapo, momba ny fisian’ity varotra zava-mahadomelina ity, ka nanamarina izany ny Polisy.
‎🎯 Rehefa natao tokoa ny fidirana an-tsehatra dia voaporofo fa vao maraim-be dia efa mivarotra rongony ity lehilahy ity. Rongony miisa 40 fonosana no hita tao anatin’ny kitapony. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Polisy ny tenany mba hanaovana fanadihadiana.
‎⚖️ Taorian’ny famotorana sy ny fihainoana azy, dia natolotra ny Fampanoavana tamin’io andro io ihany ny raharaha ary nidoboka am-ponja vonjimaika ranamana.
📣 Hisaorana ireo olom-pirenena tsara sitrapo amin’ny fanomezam-baovao tahaka izao. Ny fifampitokisana mitoetra no mampahomby ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra.
AMBOHIMARINA AMBAVAHADITOKANA : MPIVAROTRA RONGONY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISY NADOBOKA AM-PONJA, 40 FONOSANA TRATRA.
