👉 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
đźš” Nanao hetsika fanamafisana ny filaminana nandritra ny herinandro ny Polisimpirenena tao Mahajanga, niaraka tamin’ireo sampandraharaha samihafa eo anivon’ny Fitaleavam-paritriny ny filaminambahoaka Boeny.
🚨Olona miisa 6 no nosamborina sy nanokafana fanadihadiana noho ny heloka samihafa mifandraika amin’ny tsy fandriampahalemana nandritra ny hetsika.
👮‍♂️ Anisan’ireo voasambotra ny lehilahy iray 18 taona, tompon’antoka tamina raharaha fangalarana sy herisetra. Voasambotra ihany koa ny lehilahy iray 41 taona efa mpamerin-keloka amin’ny halatra sy fisolokiana. Misandoka ho mpitondra taxi-moto ity farany, ka rehefa avy maka ny entan’ny mpanjifa dia mandositra avy hatrany. Tombanana ho 840 000 Ariary ny fahavoazana nateraky ny asa ratsiny farany hoy ny mpitory.
🔎 Olona efatra hafa kosa no nosamborina noho resaka halatra.
⚖️ Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo raharaha ireo, ary mitohy hatrany ihany koa ny hetsika iadiana amin’ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana ao Mahajanga

MAHAJANGA : OLONA MIISA ENINA VOASAMBOTRA NANDRITRA NY HETSIKA MAHOMBY NATAON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer