– Olona miisa efatra no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Unité d’Interventions Rapides (UIR), ny alin’ny 03 Novambra 2026, tao Tsararano, Mahajanga.
– Nahazo angom-baovao momba ny fivarotana simenitra an-tsokosoko ireo Polisy ka nanao vela-pandrika.
– Olona roa no tratra voalohany, niaraka tamin’ny simenitra 08 gony. Nandritra ny fanadihadiana dia mbola nahitana simenitra 07 gony tao amin’ny trano fonenan’ny iray tamin’ireo voarohirohy ka miisa 15 gony no tratra.
– Araka ny fanadihadiana savaranonando dia olona roa hafa niray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity no voasambotra ihany koa.
– Nentina ao amin’ny Kaomisaria Foibe Mahajanga ireo olona voasambotra hanaovana fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana.
MAHAJANGA : OLONA MIISA EFATRA VOASAMBOTRA NOHO NY HALATRA SIMENITRA NATOKANA HO AN’NY FANAMBOARAN-DALANA
