👉 Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
🚨 Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra.
👮‍♂️ Nanatanteraka fisafoana mandeha an-tongotra ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina izay notarihan’ny Lehiben’ny Kaomisaria foibe, niarahana tamin’ireo vaomeran’ny fandriam-pahalemana sy ny lehiben’ny Distrika TANA IV ; teny Anosibe ny alin’ny faha 03 Novambra 2026.
🪧 Tanjona ny ametrahana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny Filaminana ary entina hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, izay hiadiana amin’ny tranga tsy fandriam-pahalemana.
🚨 Nisy ihany koa ny fanentanana ireo vaomeran’ny fandriam-pahalemana mba hampandre avy hatrany ny Polisy raha mahita tranga tsy fandriam-pahalemana sy izay mampiahiahy, eny amin’ny faritra misy azy ireo.

ANOSIBE SY IREO FOKONTANY MANODIDINA : MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA AMIN’IREO VAOMIERAN’NY FANDRIAM-PAHALEMANA NY POLISIMPIRENENA, MISY HATRANY NY FISAFOANA HIARAHANA MANAO

Vous pourrez aussi aimer