CSP8 – MAORISIANA NANDROBA CASH-POINT : TRATRA TEO AM-PANAOVANA NY ASA RATSINY

✅ Vola 2 Tapitrisa Ariary no nolazain’ity Maorisiana ho alainy tao amina « Kiosque »iray tetsy Analamahitsy. Rehefa tafiditra tao izy dia namoaka « taser » ka nodorany tamin’izany ilay ramatoa nitaiza kely nitazona ny « caisse » .
✅ Nahavita niala an’ ilay fitaovana nampiasainy anefa ilay Ramatoa ka afaka niantso vonjeo. Ren’ny manodidina ny antso vonjy ary tonga malaky nanavotra ilay Ramatoa ireo olona sy ny Polisy niasa tsy lavitra teo.
✅ Voasambotra teo noho eo ihany ity lehilahy ity ary fantatra fa saika handroba « cash-point » ny tenany saingy izao tratra izao ka nampidirina eny Antanimora.
CSP8 – MAORISIANA NANDROBA CASH-POINT : TRATRA TEO AM-PANAOVANA NY ASA RATSINY

Vous pourrez aussi aimer