– Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra – Fiarovana ireo olona marefo.
– Ny 17 Novambra 2026, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro, dia lehilahy iray 27 taona nangalatra entana teny amin’ny tsena Ambodisatrana, Manaingazipo, no nenjehin’ny fokonolona no sady nisy ireo niantso Polisy.
– Tratra tao anaty tokotany iray izy rehefa nitsoaka, noho ny fandraisan’anjaran’ireo Polisy avy ao amin’ny CRFIP SAVA tamin’ny fanenjehana azy. Natolotra ny Kaomisarian’ny Filaminambahoaka tao Sambava ity jiolahy nanohizana ny fanadihadiana.
– Ankoatra izany, dia renim-pianakaviana iray nanararaotra ara-nofo ny zanany vavy 13 taona sy nampandray anjara azy tamin’ny fakana horonantsary mamoafady, nalefa tamin’ny lehilahy vahiny, no nosamborin’ny Polisimpirenena ny 15 Novambra 2026, taorian’ny fitoriana voaray.
– Voalaza fa efa nanomboka tamin’ny volana Jona 2026 izany ka nisy nitoroka rehefa nahita izany.
– Natolotra ny Fampanoavana ny 28 novambra 2026 ireo raharaha roa ireo ka samy nidoboka am-ponja ireo tompon’antoka tamin’izany.
