👉 Ady amin’ny fakĂ na an-keriny.
đź‘® Ny alin’ny 31 Jolay 2026 no nisy nampandre ny Polisimpirenena fa misy mpandraharaha roalahy misy mitazona an-keriny sy iharan’ny fandrahonana amina toeram-piasĂ na iray ao Anosizato Atsinanana.
đźš” Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny UIR Tsaralalana sy ny CSP5 Mahamasina, ka avotra ireo olona roa ary voasambotra ireo enin-dahy nitazona an-keriny azy ireo.
⚖️ Nentina teny amin’ny Kaomisaria Boriborintany faha-5 Mahamasina izy ireo hanohizana ny fanadihadiana sy hanolorana ny raharaha eny anivon’ny Fampanoavana.
🛡️ Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa tsy handefitra amin’ny heloka bevava manohintohina ny aina sy ny filaminam-bahoaka, ary mamporisika ny vahoaka hanome vaovao haingana raha misy tranga mampiahiahy
ANOSIZATO : MPANDRAHARAHA ROA NOTAZONINA AN-KERINY TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANA NAVOTAN’NY POLISIMPIRENENA
