📍 Notanterahina ny Alatsinainy 03 Aogositra 2026 tao amin’ny Kaomisaria Foibe Antsimondrano Tanjombato ny lanonana famindram-pitantanana teo amin’ny Commissaire principal de Police IARINIRINA Alain José, lehiben’ny Kaomisaria Foibe Antsimondrano teo aloha, izay voatendry amin’ny andraikitra hafa, sy ny Commissaire de Police RAVELOTAHIANA Mika Olivier, izay nandray tamin’ny fomba ofisialy ny fitantanana ny Kaomisaria Foibe Antsimondrano.
👮 Nanome voninahitra sy nanatrika ny lanonana ny Lehiben’ny Distrikan’Antsimondrano, Andriamatoa RATIARISON Rostand Patrick, ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana, Andriamatoa RAKOTONIAINA Frédéric, ary ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis. Niarahaba sy nirary fahombiazana ny lehiben’ny Kaomisaria vaovao izy ireo amin’ny fanatanterahana ny adidy sy andraikitra miandry azy.
🤝 Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia nilaza ny Commissaire de Police RAVELOTAHIANA Mika Olivier fa ho laharam-pahamehana tokoa araka ny Politikam-panjakàna ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka, ho fanamafisana ny fandriam-pahalemana maharitra ao an-toerana amin’ny fametrahana paikady amin’izany.

