📍 Noho ny vaovao azo avy amin’ny olona tsara sitrapo, dia nahatratra rongony miisa 30 fatorana ny Polisy ao amin’ny Kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka Ambilobe, nandritra ny fisavana fiara fitateram-bahoaka teny amin’ny lalam-pirenena faha-6 (RN6), ny alin’ny 31 Jolay 2026. Voasambotra nandritra izany hetsika izany ny mpamily ilay fiara.
đźš“ ⚖️ Nentina avy hatrany tao amin’ny Kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka Ambilobe ilay olona voasambotra sy ireo rongony tratra, mba hanohizana ny fanadihadiana sy hanatanterahana ny dingana rehetra araka ny lalĂ na.
đźš« Manamafy hatrany ny Polisimpirenena fa hitohy tsy an-kijanona ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony sy ny zava-mahadomelina satria voaporofo fa isan’ny mahatonga ny herisetra sy asa ratsy isan-karazany eny amin’ny fiarahamonina ny fidorohana zava-mahadomelina.

 

AMBILOBE : RONGONY MIISA 30 FATORANA SARON’NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY FISAVANA TENY AMIN’NY SAKAN-DALANA TEO ISESY, RN6

Vous pourrez aussi aimer