🎯Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana

‎🔹 Ravan’ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Maroantsetra ny tambazotra mpamaky trano sy mpangalatra nampitondra faisana ny mponina tao amin’ny Fokontany Ankiakalava sy Ambohitsara ka olona fito no voasambotra taorian’ny fikarohana natao rehefa nahazo fitarainana misesisesy ny Polisy. Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro ity no voapaingotra tsirairay ireto olon-dratsy ireto ary nanoro ny namany ireo voasambotra.

‎📍 Fantatra tamin’ny famotorana fa ny dimy amin’ireto jiolahy fito ireto dia efa mpameri-keloka amin’ny resaka halatra sy vaky trano toy izao ihany.

🚨 Rehefa vita ny famotorana rehetra dia natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Maroantsetra izy ireo ny 20 May 2026, ary naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny Fonjan’i Maroantsetra.

‎✅ Ny Polisimpirenena dia tsy mitsahatra manao ny ezaka sy mitady hevitra mba hampahomby ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany manerana ny Nosy. Entanina hatrany ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena amin’ny fanomezana loharanom-baovao mba hanafoanana ny asa ratsy toy izao

MAROANTSETRA : RAVAN’ NY POLISIMPIRENENA NY TAMBAZOTRANA MPANGALATRA SY MPAMAKY TRANO, OLONA FITO VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer