Publié le 2 février 20262 février 2026 par rasamy – Notontosaina teny Ambatomirahavavy ny Zoma 30 Janoary 2026 ny fambolen-kazo nataon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, notarihin’ Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, Ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony sy ireo manam-boninahitra ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ; tonga teny an-toerana ihany koa ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambatomirahavavy sy ireo mpiara-miasa aminy. – Zanakazo miisa 1 500 no nambolena izay nahitàna Acacia, Pin ary Olive. – “Izay mamboly hazo, manome aina” ; araka izany dia mampiseho ho ohatra velona ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra ny Polisimpirenena mba samy handray anjara amin’ny fambolen-kazo, ho famerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso. IZAY MAMBOLY HAZO, MANOME AINA, ZANA-KAZO MIISA 1500 NAMBOLEN’NY FIANAKAVIAMBEN’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA TENY AMBATOMIRAHAVAVY.