FOTODRAFITRASA VAOVAON’NY POLISIM-PIRENENA : NOTOKANANA ANDROANY NY FITALEAVAM-PARITRA ANALAMANGA SY NY ANY ALAOTRA MANGORO

✅️ Notokanana androany sabotsy 09 septambra ny biraon’ny Polisim-pirenena vaovao eto amin’ny fitaleavam-paritra Analamanga sy Alaotra Mangoro .
✅️ Tonga nitokana izany tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina mivady sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ary notronin’ireo olo-manan-kaja ambony sivily sy miaramila. Nambarany tamin’izany fa ny velirano voalohany napetrany dia ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra ary manamarika izany hoy izy ny fanomezana fotodrafitrasa ho an’ny mpitandro ny filaminana hoentina manakaiky ny vahoaka .
✅️ Nitondra ny teny fankasitrahana ho an’Andriamatoa Filoham-pirenena moa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Inspecteur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa . Nilaza izy fa fanokanana fitaleavam-paritra faha 13 manerana ny nosy ity notokanana androany ity izay manampy betsaka ny Polisim-pirenena amin’ny fiarovana sy fanampiana ny vahoaka.

FOTODRAFITRASA VAOVAON’NY POLISIM-PIRENENA : NOTOKANANA ANDROANY NY FITALEAVAM-PARITRA ANALAMANGA SY NY ANY ALAOTRA MANGORO

Vous pourrez aussi aimer