AKANY AMBATOLAMPY : NITONDRA FANOMEZANA HO AN’IREO ANKIZY KAMBOTY TAIZAIN’NY POLISY NY MASOIVOHO AMERIKANA

Ny fianarana no ampinga tsara indrindra hoentina miatrika ny fiainana » io no nambaran’ dRamatoa Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo raha nitsidika sy nitondra fanampiana ho an’ireo zaza kamboty taizaina ao amin’ny Akany Ambatolampy ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy .
✅️ Fitaovam-pianarana, kilalao sy sakafo no fanomezana noentina nomena ireo ankizy raha tonga nitsidika ny akany fitaizana ireo zaza kambotin’ny Polisim-pirenena izy ireo.
🇲🇬👮‍♂️Tonga nandray azy ireo tany an-toerana ireo lehiben’ny Polisim-pirenena noratarihin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Tamin’izany no nanambarany fa zava-dehibe ho an’ny Polisy izao fanampiana nomena ny zanaka Polisy izao ary mitoetra ho fahatsiarovana lehibe ho an’ny akany .

AKANY AMBATOLAMPY : NITONDRA FANOMEZANA HO AN’IREO ANKIZY KAMBOTY TAIZAIN’NY POLISY NY MASOIVOHO AMERIKANA

Vous pourrez aussi aimer