-Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
‎- Ny 20 Aprily 2026, tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany maraina, basy mahery vaika iray Kalachnikov miaraka amin’ny fitoeram-balany sy bala efatra (04) no nafoin’ireo olona milaza ho « Dahalo niova fo » avy ao amin’ny fokontany Namorana, kaominina Ambovombe Centre, distrikan’i Manandriana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.
‎-Ity hetsika ity dia vokatry ny asa fanentanana sy ny fisafoana sesilany nataon’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSPD Manandriana mikasika ny fandriampahalemana nanomboka ny faran’ny taona 2025, tao anatin’ity faritra voasokajy ho « faritra mena » ity.
‎- Nahazo antso ny Polisy nilaza ny fisian’ity fitaovam-piadiana ity izay napetraka tamina toerana mangingina.
-Mariky ny finiavan’ilay olon-dratsy hitsahatra amin’ny asan-dahalo sy hamerina ny filaminana ao amin’ny distrikan’i Manandriana izao ka entanina hatrany ireo mety mbola mitazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna hamoy izany antsitra-po, azo atao tsy mitonona anarana tahaka ity tranga iray ity.
‎- Ny Polisimpirenena dia manohy hatrany ny ezaka amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana sy ny fampandriana ny tany, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny vahoaka sy ny famporisihana ny fanolorana an-tsitrapo ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna.

 

MANANDRIANA : TAORIAN’NY FANENTANANA SESILANY NATAON’NY POLISIMPIRENENA , BASY KALACHNIKOV IRAY NO NAVERIN’IREO DAHALO NIOVA FO TAO NAMORANA

Vous pourrez aussi aimer