-Nanatanteraka dinikasa ho fanamafisana ny firaisan-kina sy firaisan-tsaina na “team building” ireo Polisin’ny fifamoivozana eo anivon’ny Komisaria foibe Antananarivo, ny Alahady 26 Aprily 2026 tetsy Ambohimangakely .
-Tonga nanome voninahitra izany ny Tale Jeneraly lefitry ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule ; ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAKA Andriamahasoa ary ny Talem-paritry Filaminanimbahoaka Analamanga, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis.
-Ity hetsika ity dia tanteraka noho ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny BNI MADAGASCAR, izay nisoloan-tenan’ny Tale Jeneraly Lefitra, Ramatoa HANNA Khelifa.
-Natao indrindra hanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny mpiara-miasa ny hetsika tahaka izao ka mikendry ny hanatsaràna hatrany ny fahombiazana amin’ny asa.
-Nivoitra nandritra izany ny fiombonana, izay antoky ny fanatanterahana tsara ny adidy marina amin’ny asan’ny Polisimpirenena.
– Zava-dehibe ny fanatanterahana hetsika toy izao satria manamafy ny fiaraha-miasa sy mitondra fanatsaràna amin’ny asa, hisorohana ny rarin-tsaina ihany koa.

POLISIMPIRENENA : MANAMAFY NY FIRAISAN-KINA EO AMIN’NY FANATANTERAHANA NY ASA NY AO AMIN’NY POLISY MISAHANA NY FIFAMOIVOZANA EO ANIVON’NY KOMISARIA FOIBE ANTANANARIVO TAMIN’NY ALALAN’NY « TEAM BUILDING » NATAO TENY AMBOHIMANGAKELY

Vous pourrez aussi aimer