SCES – FAMPIASANA FITOMBOKA HOSOKAN’ NY MINISITERAN’NY TOE-KARENA SY FITANTANAM-BOLA : LEHILAHY 01 MISANDOKA HO MPIASAN’NY FITANTANAM-BOLA VOASAMBOTRA , MIAMPY NY VADINY SY VEHIVAVY IRAY HAFA MPIRAY TSIKOMBAKOMBA AMINY

Rehefa nojerena ireo antontan-taratasin’ity vehivavy iray saika hanao Pasipaoro dia nampiahiahy ny Polisy izany, natao ny fanadihadiana ary fantatra fa hosoka avokoa ireo antontan-taratasy nampiasainy .
Nitohy ny famotorana ary tamin’izany no nahalalana fa vehivavy ho aondrana hiasa an-trano any Oman ilay vehivavy ary nanamboarana taratasy hosoka . Notadiavina ireo olona nampanao azy izany ka vehivavy iray sy lehilahy iray miaraka amin’ny vadiny no tra-tehaka.
✅️ Nosavaina ihany koa ny tranon’ireto mpivady ireto dia nahitana olona 05 saika ho aondrana hiasa an-trano any Oman ihany koa .
✅ ️Ankoatra izay dia mbola nahatratrarana fitomboka hosoka maromaro tao amin’izy ireo ary tao anatin’zany ny fitomboka hosokan’ ny Minisiteran’ ny toe-karena sy fitantanam-bola ampiasain’izy ireo amin’ny asa ratsy ataony.
🚨 Nidoboka any Antanimora izy ireo rehefa natolotra ny fampanoavana ary mbola misy ireo namany tadiavina.

 

SCES – FAMPIASANA FITOMBOKA HOSOKAN’ NY MINISITERAN’NY TOE-KARENA SY FITANTANAM-BOLA : LEHILAHY 01 MISANDOKA HO MPIASAN’NY FITANTANAM-BOLA VOASAMBOTRA , MIAMPY NY VADINY SY VEHIVAVY IRAY HAFA MPIRAY TSIKOMBAKOMBA AMINY

Vous pourrez aussi aimer