ENSP IVATO / FAMOAHANA NY ANDIANY VINA : MIISA 20 IREO NAHAZO NY GALONA COMMISSAIRE DE POLICE RAHA 30 KOSA NY OFFICIER DE POLICE

Notanterahina androany ny lanonana famoahana ho Polisy an’ireo 50 mianadahy mitondra ny anarana andiany « VINA » rehefa nahavita niatrika ny fiofanana nandritra ny 2 taona teo anivon’ny Sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena.
👮‍♂️👮‍♀️️ Ho an’ny sokajy « Commissaire de Police » dia miisa roapolo (20) mianadahy no nahavita ny fiofanana ka vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Ho an’ny sokajy « Officier de Police » kosa dia telopolo (30) mianadahy izy ireo no nahavita ny fifaninanana ka nahitana vehivavy miisa folo (10).
✅️ ️ Ankoatra ny famoahana ny andiany « Vina » moa dia androany ihany koa no fotoana nampahafantarana ireo lehiben’ny Polisim-pirenena niakatra galona anisan’izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka RANDRIANARISON Fanomezantsoa izay nahazo ny galona « Inspecteur Général de Police « . Miisa telo (3) ireo nahazo ny laharam-boninahitra » Contrôleur Général de Police » raha enina (6) kosa ireo nahazo « Commissaire Divisionnaire de Police ».
✅️ Lanonana izay notarihin’Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta , tonga nanotrona teny an-toerana ihany koa ireo Minisitra sasany teo anivon’ny governemanta ary ireo olo-manan-kaja ambony sivily sy miaramila .
👮‍♂️🚔👮‍♀️ Arahabaina ny andiany Vina tafiditra ao anatin’ny fianakaviamben’ny Polisim-pirenena ary miarahaba ihany koa ireo lehiben’ny Polisim-pirenena nahazo ny galona vaovao .

ENSP IVATO / FAMOAHANA NY ANDIANY VINA : MIISA 20 IREO NAHAZO NY GALONA COMMISSAIRE DE POLICE RAHA 30 KOSA NY OFFICIER DE POLICE

Vous pourrez aussi aimer