🛡️ Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny heloka bevava
👮♂️ Nahitam-bokatra ny hetsika « MAHOMBY » notanterahin’ny Polisimpirenena ao amin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa, tamin’ny alalan’ny fisafoana sy ny vela-pandrika natao tany amin’ireo toerana ahiana hisian’ny asa ratsy.
👉 Lehilahy roa nangalatra solosaina, clé USB ary power bank no voasambotry Polisy tany Ankofafa sy Anjoma, ny 23 sy 25 Oktobra 2026. Samy natolotra ny fampanoavana izy ireo ka nidoboka am-ponja.
🚨 Lehilahy dimy no tratran’ny Polisy teo am-panendahana olona iray teny Anjoma sy Ambatolahikisoa ny alin’ny 28 Oktobra 2026. Tafaverina tamin’ny tompony ireo entana voaroba.
🔪Ny alin’ny 31 Oktobra hifoha ny 1 Novambra 2026,mpanao Fanendahana mitam-piadiana miisa roa no voasambotry ny Polisy teny amin’ny Lalamby Ivory Avaratra. Rehefa avy nanendaka sy nandrahona olona tamin’ny antsy. Tafaverina ny findain’ilay niharam-boina.
💵 Mpanao vola sandoka miisa roa no tratra tao Mahasoakely, Sahalava, ny 28 Oktobra 2026, niaraka tamin’ny vola sandoka 75, mitentina 20 000 Ariary avy. Mbola misy olona karohina ny naman’izy ireo.
⚖️ Manohy ny ezaka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny Polisimpirenena, ho fiarovana ny olona sy ny fananany.
MATSIATRA AMBONY : OLONA MIISA 11 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAMINY RAHARAHA SAMIHAFA NANDRITRAN’NY HETSIKA « MAHOMBY » TAO FIANARANTSOA
