đź”·Ady amin’ny kolikoly
👮‍♂️ Ao anatin’ny fanatanterahana ireo teboka noraisina nandritra ny fikaonandoham-pirenena dia manohy ny ezaka amin’ny fanatsarà na ny fomba fiasa sy ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly ny Ministeran’ny Filaminambahoaka.
🤝 Ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga dia nanatanteraka fivoriam-be tetsy amin’ny Kaomisaria Foibe TsaralalĂ na, mikasika indrindra ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatsarĂ na ny fomba fiasa, ny Fitaleavana misahana ny fanadihadiana anatiny (DEI) sy ireo sampandraharaha misy ao amin’ny Fitalaevam-paritra voalaza teo ; ka nitarika izany ny Tale misahana ny Fanadihadiana anatiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Filambahoaka, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RAKOTOMALALA Simon, sy ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAFALIMANANA Alain Adonis.
🎯 Ankoatran’ny paikady hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, dia noresahana ny fanentanana amin’ny fanajĂ na ny fitsipi-pitondran-tena mendrika eo anivon’ny Polisimpirenena ary ny fanatsarĂ na ny fomba fanatanterahana ny asa ho tombontsoan’ny vahoaka.
📢 Ho fanamorà na ny fifandraisana amin’ny vahoaka, dia napetraka ny birao fitorohana sy fampitana tranga izay hita ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, Kaomisaria Foibe Tsaralalà na, Kaomisaria foibe Avaradrano, Kaomisaria Foibe Antsimondrano ary ny Kaomisaria Foibe Ambohidratrimo ka natao handraisana ireo fitarainana sy soso-kevitra amin’ny fanatsarà na ny fomba fiasa izany.
🇲🇬 Tsy mijanona eto Antananarivo ihany ity hetsika fanatsarana ny fomba fiasa ity fa efa samy manao ny ezaka ireo Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka manerana an’i Madagasikara.
🛡️ Manamafy hatrany ny fanoloran-tenany amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny fisorohana ny tsy fandriampahalemana ary ny fanatsarana ny fifamoivoizana ny Polisimpirenena, ho fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ny kalitaon’ny asa fanompoana.

