🛡️ Ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fiarovana ny vahoaka.
👮‍♂️ Tovolahy miisa roa mpanao sinto-mahery no voasambotry Polisy mpandrindra ny fifamoivoizana sy ny fokonolona teny amin’ny manodidina an’i Gare Soarano, Analakely ny 08 Oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora mahery.
đźš” Tetsy Itaosy kosa, lehilahy iray nanendaka mpianatra nirava avy nianatra no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Itaosy rehefa nifanenjehana. Finday sy vola no lasany tamin’izany.
⚖️ Noentina natao fanadihadiana eny aminy biraon’ny Polisy izy ireo alohan’ny anolorana azy ireo eo anivon’ny fampanoavana.
🤝 Ny Polisimpirenena dia mijoro hatrany ho eo akaikin’ny vahoaka. Manentana ny rehetra hatrany mba ho mailo, hifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana ary tsy hisalasala hampandre raha misy tranga mampiahiahy.
ANALAKELY – ITAOSY : MPANENDAKA MIISA TELO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TANY ITAOSY SY ANALAKELY.
