FANAFIHANA TOKAN-TRANO TENY AMBOHIJANAKA
– Mitohy ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy
-Teny Ambohijanaka ny 17 Aogositra 2026 tamin’ny 10 ora alina, voasakana ny fikasana hamaky trano iray.
– Rehefa nahatsikaritra olona nampiahiahy teo ambadiky ny tamboho ny tompon-trano dia nampandre avy hatrany ny Polisimpirenena izay tonga haingana teny an-toerana.
– Voasakana noho izany ny fanafihana na efa votapak’ireo jiolahy aza ny vy fiarovana ny tamboho.
-Taporitsaka tany anaty haizina ireo jiolahy.
– FANDROBANA CASH POINT ANDOHARANOFOTSY
-Teny Mandrimena Andoharanofotsy, ny harivan’ny 17 Aogositra 2026, lehilahy telo no nanafika Cash Point iray.
– Nitsoaka tamin’ny moto izy ireo saingy nianjera rehefa nenjehin’olona teny an-toerana ary nisy ireo niantso ny Polisy.
– Tavela teo amin’ny toerana ny moto, bala miisa 04, antsy 03 ary poketra nisy vola. Mitohy ny fikarohana ataon’ny Polisy ireo voarohirohy.
– TSY KELY LALANA NY RATSY
– Manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana mba ho mailo fa tsy kely lalana ny ratsy.
– Aoka tsy hisalasala hiantso sy hampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana akaiky rehefa mahita olona na fihetsika mampiahiahy.
-Tazony anaty finday ary ataovy akaiky ireo laharana hahafahana miantso ny mpitandro ny filaminana.
IRETO NY LAHARANA HAHAZOANA NY POLISIMPIRENENA AO ANTANANARIVO ATSIMONDRANO:
– CC Tanjombato: 034 05 998 44;
– UIR Tanjombato: 034 05 517 15;
– CSP Itaosy: 034 05 517 16;
– PPA Ankaraobato: 034 05 703 68;
– PPA Soavina: 034 05 517 22;
– PPA Mahabo Andoharanofotsy: 034 05 703 67;
– PPA Ampanefy: 034 05 703 69
