👉 Nifarana ny 05 Oktobra 2026, teny amin’ny Kianjan’ny Barea Annexe Mahamasina sy tetsy amin’ny kianja ACSA Ambohidahy, ireo lalao ara-panatanjahantena nokarakaraina tao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Polisimpirenena.
🤝 Hetsika niavaka izay nampivondrona ireo mpandray anjara rehetra eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Hery Fiarovana sy Filaminana.
🥋 Tontosa tao anatin’izany ihany koa ny fampisehoana ara-panatanjahantena miavaka momba ny haiady ampiasain’ny Polisimpirenena ao anatin’ny fihetsika ara-teknika matihanina , toy ny Taekwondo WTF, Taekwondo ITF, Karate, Tolona ary Kick-boxing.
⚽ Nisy koa ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Hery Fiarovana sy Filaminana tamin’ireo taranja samihafa.
👮♀️ Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana.
🏅 Nofaranana tamin’ny fizarana medaly ny lanonana ka ireto avy ireo taranja nandraisana anjara : Pétanque, Volley-ball, Basket-ball, Football ary Tenisy.

