🛡️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany
👉 Nandritra ny hetsika « MAHOMBY » notanterahina teo anivon’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa, nohamafisina ny fisafoana, ny fanaraha-maso, ny fikarohana ary ny fanadihadiana, indrindra tany amin’ireo toerana ahiana hisian’ny asa ratsy sy fandikan-dalà na, olona miisa fito no voasambotra tao amin’ny fokontany maromaro.
📌 ANKAZOBE : Lehilahy iray niditra an-tsokosoko tao an-tokatranon’olona ary nangalatra akoho amam-borona ny 20 Septambra 2026 tokony tamin’ny 02 ora maraina no voasambotry ny Polisy ary mbola tratra teny aminy ny akoho nangalariny. Efa im-betsaka no nisiana halatra toy izao tao amin’io tokantrano io.
📌 NAMONTANA : Vehivavy iray no voasambotra noho ny resaka vaky trano izay niseho ny 15 Septambra 2026. Rehefa natao ny fikarohana dia tratra ny 20 Septambra 2026 ity ramatoa ity ary mbola tratra tany aminy ireo vilany miisa 02 nangalariny.
👮‍♂️ TSIANOLONDROA : Lehilahy iray no tratra teo am-pifohana rongony tao ambadiky ny dépôt JIRAMA ny 25 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, mbola nahità na fonosana rongony ihany koa tany aminy rehefa nosavaina.
📱 TANAMBAO ZOARA : taorian’ny loharanom-baovao voarain’ny Polisy dia lehilahy iray mpangalatra finday no voasambotra ny 25 Septambra 2026. Nandritra ny fisavĂ na ny trano fonenany dia mbola nahita kitapo iray fampiasana rehefa manao ny asa ratsiny.
📣 ANTARANDOLO : Mpandroba « cash point » iray no voasambotra ny 29 Septambra 2026, tokony tamin’ny 11 ora alina. Mbola tratra teny aminy ny tapaka vy nampiasaina nandritra izany.
🚨 ANKAZONDRANO : Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny Polisy momba ny fisian’olona iray efa fantatra tamin’ny resaka fanendahana sy sinto-mahery ny 23 Septambra 2026, tokony tamin’ny 09 ora sasany alina. Nidina avy hatrany ny Polisimpirenena nisambotra azy.
🏍️ ANTSOROKAVO : Moto iray no hitan’ny Polisimpirenena manao fisafoana ny 30 Septambra 2026, tokony tamin’ny 09 ora sasany alina. Fantatra fa nisy nangalatra izy io ary efa naverina amin’ny tompony rehefa nanaovana fanamarinana.
⚖️ Efa natao famotorana tao amin’ny biraon’ny Polisy avokoa ireo olona voasambotra ireo ary efa natolotra ny fampanoavana ka voatazona any am-ponja avokoa izy ireo.
FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA MATSIATRA AMBONY : OLOANA FITO NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NANDRITRA NY HETSIKA MAHOMBY
