⭕Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
✅ Mpamaky trano rain-dahiny iray no voasambotry ny Polisimpirenena tao amin’ny tsenan’ny Beanana Andapa ny 04 Oktobra 2026 teo.
🔷 Taorian’ny angom-baovao azo tamin’olona tsara sitra-po sy fikarohana no nahafahana nisambotra ity lehilahy mpamaky trano ity.
📋 Niaiky ny heloka vitany ity farany ary nanoro ny olona namarotany ireo finday dimy nangalariny ka ny roa tamin’izany no efa hita.
🔎 Notanana ao amin’ny Polisy izy ireo ary mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ary hatolotra ny Fampanoavana.
ANDAPA : MPAMAKY TRANO SY MPIVIDY ENTANA HALATRA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
