🛡️ Ady amin’ny halatra taolam-paty sy ny vaky fasana
👉 Araka ny angom-baovao voaray teo anivon’ny SRPJ Bongolava, dia nisy olona voarohirohy ho tafiditra amin’ny halatra sy varotra taolam-paty tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivobe. Nisy arak’izany ny fidinana ifotony ny Sabotsy 03 Oktobra 2026, nataon’ny Polisimpirenena tany an-toerana niaraka tamin’ny FIP Bongolava, mba hanamarinana ireo vaovao voaray.
👮‍♂️ Vokany dia lehilahy miisa 6, no voasambotra. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny taolam-paty milanja 50 kilao. Tamin’ny fanadihadiana natao no nilazan’izy ireo fa 500 kilao teo ho eo ny fitambaran’ireo taolam-paty nokasaina amidy.
⚖️ Nohentina tao amin’ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Bongolava, Tsiroanomandidy, ireo olona voasambotra sy ireo taolam-paty tratra ny 05 Octobra 2026.
👮‍♂️ Mbola manohy ny fanadiadihana sy fikarohana ny naman’izy ireo ny Polisimpirenena
FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA BONGOLAVA : HALATRA TAOLAM-PATY SY VAKY FASANA OLONA MIISA 06 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
