👉Fametrahana fandriampahalemana maharitra
đź‘® Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisy tao Mandritsara mikasika ny vaky trano tao Ambohimandroso dia voasambotra ny 19 Jona 2026 ireo lehilahy roa tompon’antoka tamin’izany.
📺 Nandritra ny famotorana nataon’ny Polisy no nahitana sy nahazoana ireo entana halatra rehetra ka efa naverina tamin’ny tompony rehefa vita fanamarinana.
⛓️ Samy efa mpamerin-keloka ireto jiolahy ireto ary efa nigadra imbetsaka noho ny halatra sy vaky trano. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa vita famotorana.
➡️Entanina hatrany ny olom-pirenena tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy fa tanana ho tsiambaratelo izany
MANDRITSARA : JIOLAHY ROA MPAMAKY TRANO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
