🔎 Taorian’ilay fitarainana niparitaka tamin’ny Facebook, izay nilazan’ny mponina fa misy lehilahy iray mpampihorohoro ao Ankasina sy Andohatapenaka, dia nandray andraikitra avy hatrany ny Service Central Anti-Gang ka nanamarina izany sy nanao angom-baovao teny ifotony.
đźš” Ny Alatsinainy 13 Aprily 2026 alina, nanao hetsika manao fanamiana sivily teny an-toerana ny Polisin’ny SAG hahafahana misambotra ity jiolahy ity.
⚠️ Hita tokoa izy ary mbola nanao ny fanaony : maka vola tsy amin-drariny ary mandrahona ny mponina.
👮‍♂️ Rehefa tonga hanakana izany fandikan-dalà na izany sy hisambotra azy ny mpitandro ny filaminana dia namoaka basy tampoka ilay jiolahy.
🎯 Noho ny fahaiza-manao sy maha matihanina dia ny an’ny Polisin’ny SAG no tonga aloha ny tifitra fiarovan-tena, maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ity olon-dratsy ity.
đź§ľ Nandritra ny fisavĂ na dia nahitĂ na bala miisa roa ilay basy poleta efa voafahana teny aminy.
⚖️ Ny Polisimpirenena dia mihaino ireo fitarainana rehetra ataon’ny vahoaka momba ny tsy fandriampahalemana, manao ny angom-baovao ary mitady ny fomba rehetra ahafahana mametraka filaminana maharitra. Manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana tsy hisalasala hitoroka sy hanome vaovao momba ireo olon-dratsy ahafahana mandray andraikitra haingana.
ANDOHATAPENAKA – ANKASINA – : MATY VOATIFITRA ILAY LEHILAHY NAMPITAHOTRA SY MAMPIHOROHORO ARY MAKA VOLA TSY AMIN-DRARINY IREO MPONINA.
