🎯 Tsy kely lalana tokoa ary tsy misy tandroka ny ratsy raha ity tranga teny Ambohidahy Ankadindramamy ny 12 Aprily 2026 ity.
🚔 Vehivavy miisa telo izy ireo no mody mifangaro amin’ny mpiantsena ary misisika eny amin’ny ireo be olona. Ao anatin’izany ny sasany manao izay hahavariana ny olona efa voatilin’izy ireo mialoha ary ny hafa kosa maka izay azo alaina eny aminy.
👮‍♂️ Tamin’ity tranga ity dia poketra nisy vola sy antotan-taratasy no azon’ireto jiovavy ireto ka nametraka fitarainana ilay lasibatra.
✅ Tonga teny an-toerana ny Polisin’ny CSP3 Antaninandro ary nanao ny fikarohana ka tratra teny amin’ny manodidina ny roa tamin’ireo vehivavy mpanao sinto-mahery sy harom-paosy ireto ary ny iray mbola karohina fa tafaporitsaka.

AMBOHIDAHY ANKADINDRAMAMY : VEHIVAVY ROA VOASAMBOTRA NOHO NY SINTO-MAHERY ATAO ANKAFETSENA

Vous pourrez aussi aimer