👮♂️ Ady amin’ny tambajotra mpanao halatra
📅 Ny 30 Martsa 2026 no naharay fitarainana mombana halatra moto scooter iray nitranga ny alin’ny 29 Martsa tao Tsararano Ambony ny Kaopisaria foibeao Mahajanga.
đź“… Ny 08 Aprily 2026, voasambotra ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ilay halatra rehefa nampiasa ny fahaiza-manaony sy nanao ny fikarohana ny Polisy. Niampy lehilahy roa hafa ireo voasambotra ny 09 Aprily 2026, izay mpandrava sy mpitahiry ireo kojakoja amin’ny kodiarandroa rehefa voarava.
🔎 Nentina ao amin’ny Kaomisaria Foibe ao Mahajanga ireo voasambotra rehetra ho fanohizana ny fanadihadiana.
🛡️ Manao ny ezaka rehetra hahitàna ny marina ny Polisimpiernena na manao izay fomba rehetra hanafenana ny halatra aza ireo mpanao ratsy, tahaka ireto mpangalatra moto tao Mahajanga ireto.
✅Izany indrindra no hiantsoana hatrany ny fiaraha-mientana amin’ny mpiray Tanindrazana mba handray andraikitra hampilaza sy hitoroka ireo mpanao ratsy satria ny Polisimpirenena dia mijoro hatrany miaro sy manampy ny vahoaka.

MAHAJANGA : TAMBAJOTRA MPANGALATRA MOTO RAVAN’NY POLISIMPIRENENA, OLONA MIISA 03 VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer