CSP8 ANALAMAHITSY : NAHAZO FANKASITRAHANA TAMIN’NY LEHIBENY ILAY POLISY NAMONJY OLONA LANAKY NY HANOHANANA

Andro vitsivitsy lasa izay, dia nisy nanaparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera FB ny Polisy iray nanampy olona iray lanaky ny hanohanana hitany teny anaty tanàna nandritra ny fisafoana nataony ka nanome mofo sy rano ilay rangahy.
Mba ho fankasitrahana ilay Polisy miasa ao amin’ny Commissariat de Police Boriboritany fahavalo ANALAMAHITSY dia notoloran’ny lehiben’ny « Commissariat Central » fanamiana feno izy hahafahany manohy ny asa tsara sahaniny. Natao izao fanehoana fankasitrahana izao ho fankan-tahaka ho an’ny Polisy rehetra.
Eo anivon’ny Polisim-pirenena dia misy ny fanasaziana miabo sy ny fanasaziana miiba ka izay mandika lalàna na manao ny tsy mety dia iharan’ny sazy mendrika ny fahadisoana nataony, izay manao ny mety toy ny fihetsika nataon’ity Polisy ity dia mendrika fankasitrahana satria fihetsika manome lanja ny zon’olombelona.
Ampirisihina isika rehetra tsy hisalasala ka hampahafantatra ny zavatra ataon’ny Polisy ka tsy ny tsy mety ihany no haseho fa ny tsara toy izao koa.
Afaka miantso ny laharana 117 na ny 034 05 517 04 na manatona ny sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ny asan’ny Polisim-pirenena (IGPN) ANOSY raha misy fitaraianana atao.

CSP8 ANALAMAHITSY: FANKASITRAHANA POLISY MENDRIKA

Vous pourrez aussi aimer