FILAZANA FIKAROHANA: RASOANDALANA Marie Fideline

👉 Ity olona hita amin’ny sary ity dia manan-draharaha eny anivon’ny Polisimpirenena ao amin’ny SCAR ( Services Central des Affaires RĂ©serve) Anosy. Koa hiangaviana izay mahafantatra azy na mahalala ny toerana misy azy mba hanatona ny biraon’ny Polisy akaiky indrindra.

ANOSIBE : MPANENDAKA ROA LAHY TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY

🚨 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy. ‎👉Lehilahy roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Fahadimy Mahamasina(CSP5) ny Alahady 14 Jona 2026 tokony ho tamin’ny 06 ora maraina, teo am-panendahana vehivavy iray hamonjy tsena teny Anosibe.