🚨 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy.
‎👉Lehilahy roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany Fahadimy Mahamasina(CSP5) ny Alahady 14 Jona 2026 tokony ho tamin’ny 06 ora maraina, teo am-panendahana vehivavy iray hamonjy tsena teny Anosibe.
‎👮Polisy nanao fanamiana sivily teo am-panatanterahana ny asany manara-maso eny an-toerana no nahatratra ambodiomby ireto mpanao ratsy ireto, ary tafaverina tamin’ilay niharam-boina ny poketrany izay nisy vola.
‎🔒 Noentina natao andrimaso ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina ireto olon-dratsy ireto mba hanohizana ny famotorana. Hatolotra ny Fampanoavana rehefa vita ny fanadihadiana rehetra.
‎📢 Mijoro hatrany ny Polisimpirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary manentana ny rehetra mba ho mailo hatrany sy tsy hisalasala hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny fanomeza-baovao fa ho tanana ho tsiambaratelo izany.

ANOSIBE : MPANENDAKA ROA LAHY TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY

Vous pourrez aussi aimer